Basketball « 3x3

Nandravarava sy nanao poa-droa ny Malagasy


  • Talata 29 Aogositra 2023

Basket 3x3 Nanao poa-droa ny Ankoay Manjaka tanteraka ny basket malagasy raha eto amin'ny faritry ny Ranomasimbe Indiana.

Mbola voaporofo indray izany omaly tetsy Mahamasina nandritry ny famaranana teo amin'ny basket 3x3. Teo amin'ny vehivavy dia natao 'i Muriel, Sydonie ary Chine nitondra faisana La Réunion. Nandresy mazava tamin'ny isa 21 noho 9 ny Malagasy. Teo amin'iny lehilahy indray dia nanaovan'i Elly, Rick Ley, Livio ary Arnol fampisehoana ny Mayotte.Nisy hatramin'ny alley-oop aza nefa tsy dia nilaina izany satria raha afaka nitifitra lavitra ihany tsy aleo ve dia novonoina hakana isa roa. Na izany aza dia nazava ny fandresen'ny Ankoay tamin'ny isa 21 noho 11 ny avy any Mayotte.


Marihina fa sambany nampidirina ho taranja hifaninana io, ka isika Malagasy no nisantatra ny maha tompon-daka. Hita fa efa avo lenta ny teknikan'ny Malagasy, ary noporofoin-dry Livio sy ny namany ny maha tompondakan’i Afrika azy, ary tsiahivina fa izy ireo no solontenan’i Afrika tamin’ny fiadiana izay tompodaka eran-tany farany teo, ka isan’ny niavaka ny nandreseny an’i Lafrantsa. Na ho an’ny vehivavy na ho an’ny lehilahy dia tapitra 3 minitra teo ho eo nialohan’ny fe-potoana avokoa ny lalao noho ny fahatrarana isa 21. Antenaina fa hanara-dia ny “3x3” ny “5x5”, raha ny vokatra efa azontsika tamin’ny lalao fifanintsanana.
Nangonin’i Toky R


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT