Sport

Basket U19 tany Hongria Namono baolina be indrindra i M'Madi


  • Talata 04 Jolay 2023

Tapitra ny fiadiana ny ho tompondaka eran-tany eo amin'ny lehilahy latsaky ny 19 taona eo amin'ny basket. Faha 14

ny Ankoay raha nahazo fandresena indroa nanoloana ny Liban sy Hongria Vokatra tena tsara sady tsy nampoizina .Nefa ny nahazo ny dera manokana dia i Mathias M'Madi izay namono baolina betsaka indrindra. 169 no matiny ary raha atao ny salan'isa dia 24,1 isaky ny lalao nataony izany. Tena tsara izany ary raha nahay nararaotra ireo namany dia mbola mety tsara noho izao ny vokatra satria nanana ireo ranjanana afaka miaro sy mamono baolina ao ambany tabilao isika raha ysy hiteny afatsy Lova Andriatsarafara (2m 06) sy Jerry Rabibisoa ary Donovan Rakotonanahary. Ny nitondra ny baolina moa diai Rino. Ireo no dimy voalohany mahazatra fa afaka misolosolo ihany ary odan'izany i Manu ary Mickaël ary Leva. Mbola misy tokony harenina raha izany satria mitaky ny havizananana fa raha tany amin'ny lalao faharoa tany angamba no nohaona tamin' Frantsa izay tonga tany amin'ny famaranana mety tsy dia tataka be toy ireny ny isa Na izany aza dia latsaka tao anaty Vondrona mafy be ny Ankoay satria ankoatra ny Frantsay dia mbola tao koa Etazonia izay laharana fahaefatra no mbola tompodaka farany teo amin'ity sokajy ity Mila manamboatra na izany aza ary ny lesona azo tsoahina dia mila olona lava sy ranjanana ny basket eny na dia ho tena sarotra aza ny mahita toa an'i Victor Wembanyama izay mirefy 2m 22. Raha tsy tena marina angamba fa tsy angano ny fisian'i Rapeto.
Clément RABARY
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT