Sport

« Basket Tournoi U 10 sy Super-Vétérans » Analamanga Mahavelombolo ireo taninketsan’ity taranja ity


  • Alatsinainy 14 Janoary 2019

Mahavelombolo raha ny zava-nisy hita teny amin’ny kianja mitafon’Ankorondrano omaly alahady 13 janoary 2019 no asian-teny mikasika ny hoavin’ny taranja basikety baolina.

 

 

Tena nampiseho ny talentany tokoa tamin’ilay hetsika Kids Star nifanandrinan’ny Team A’Ranty sy Team Mitia tao anatin’ilay “Tournoi U 10 sy Super-Vétérans 2018” nokarakarain’ny ligin’Analamanga ireo katitakely mpilalao basikety Malagasy.  Mahavelombolo tokoa, araka izany, ny hoavin’ny taninketsan’ity taranja ity raha notarafina tamin’ireo katitakely ireto. Marihina fa tsy ny fandresena no zava-dehibe ho azy ireo fa ny fiaraha-mientana hanandratra ny taranja basikety. Na izany aza lavon’ny Team Mitia tamin’ny isa 26-21 ny Team A’Ranty tamin’ny lalao 5  minitra in-4 niditra na dia tsy afa-nilalao aza i Mitia kely noho ny tanany folaka tamin’ny fianjerany ny alahady heriny 5 janoary 2019 teny Ankorondrano ihany.

Marihina fa nialoha ity Kids Star ity dia nisy an’ireo lalao famaranana Super Vétéran lahy sy vavy ka nibatan’ny Jcba ny amboara nanoloana ny Bbc nifanandrina taminy 36-35 teo amin’ny vehivavy raha ny Fobb kosa no nahery nanoloana ny Cheminots 68-61 teo amin’ny sokajy lehilahy.

Fandaharan-dalao sokajy veteran :

Teo amin’ny fifaninanana 3x3 U 10 kosa omaly alahady maraina dia nahery teo amin’ny zazavavy ny Asf nandresy ny Mb2All 03-01 ary teo amin’ny zazalahy ny Bcsm nandavo ny Jcba 04-03 taorian’ny fanalavam-potoana. Samy notoloran’ny Telma fanomezana samihafa daholo ireo ekipa nandresy tamin’ity fifaninanana ity.

 

Ntsoavina Evariste

 

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT