Sport

« Basket Tournoi U 10 sy Super-Vétérans » Analamanga Amin’ny 12 sy 13 janoary indray ny tohiny


  • Alakamisy 20 Desambra 2018

Tontosa tamin’ny 15 sy 16 desambra teo teny amin’ny kianja mitafon’Ankorondrano ny fifaninanana rejionaly Analamanga “Tournoi U 10 sy Super-Vétérans 2018”. Anisan’ireo katita nandray anjara tamin’izany ny klioban’ny Jcba, Mb2All, Bcr, Cbbt, Helaskbi, Bcsm ary ny Asf.

 

 

 

 Amin’ny lalaon’ny sokajy U 10 tahak’izao, hoy ny SG –n’ny Ligin’Analamanga, dia tsy dia midika inona loatra ny vokatra azo fa ny fitaizana ny kilonga no tena hasongadina. Niaraka tamin’izany koa ny fifaninanana sokajy Super Vétérans noho izy ireo tsy tafiditra ao anatin’ny fifaninanam-pirenena nokarakarain’ny FMBB.Anisan’ireo vokatra azo tamin’izany ireto manaraka ireto : Sokajy lehilahy-Bbc # Fobb (39-31), Fobb # Mmbc (38-37). Sokajy vehivavy-Jcba # Mmbc (56-51). Amin’ny faha-12 sy faha-13 janoary izao indray no tohin’ireto “Tournoi” ireto mbola eny amin’ny kianjan’Ankorondrano hatrany ka ny 12 janoary 2019 dia lalao sokajy U 10 sy ankatoky ny famaranana Super-Vétérans no hitranga. Ny13 janoary 2019 dia hisy Lalao 3 x 3 U10 zazalahy   sy  lalao Kids Star U 10 Team Aranty kapitenin’ny Jcba zazalahy # Team Mitia kapitenin’ny Mb2All zazalahy  ary lalao famaranana Super –Vétérans.

 

Ntsoavina Evariste

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Lamba
  • Zoma 27 Novambra 2026

maloton'ny FMF

  • Tsipy
  • Alakamisy 26 Novambra 2026

kanetibe

  • Taranja
  • Alarobia 25 Novambra 2026

Tsipy Kanetibe

  • Coupe du
  • Talata 24 Novambra 2026

monde de pétanque

  • Rayan Raveloson
  • Talata 24 Novambra 2026

Nangidy ny herinandro

  • Filazàna fa
  • Zoma 20 Novambra 2026

mandeha ny fitantanana ny kitra malagasy

Hijery ny tohiny
FTT