Sport

« Basket Tournoi U 10 sy Super-Vétérans » Analamanga Amin’ny 12 sy 13 janoary indray ny tohiny


  • Talata 18 Desambra 2018

Notontosaina tamin’ny sabotsy 15 sy ny alahady 16 desambra teo teny amin’ny kianja mitafon’Ankorondrano ny fifaninanana rejionaly Analamanga “Tournoi U 10 sy Super-Vétérans 2018”.

 

 

 

Anisan’ireo katita nandray anjara tamin’izany ny klioban’ny Jcba, Mb2All, Bcr, Cbbt, Helaskbi, Bcsm ary ny Asf. Amin’ny lalaon’ny sokajy U 10 tahak’izao, hoy ny SG –n’ny Ligin’Analamanga, dia tsy dia midika inona loatra ny vokatra azo fa ny fitaizana ny kilonga no tena hasongadina. Nampiarahana tamin’ity lalaon’ny kilonga madinika ity koa ny fifaninanana sokajy Super Vétérans noho izy ireo tsy tafiditra ao anatin’ny fifaninanam-pirenena nokarakarain’ny FMBB “Federasiona ny taranja basikety Malagasy”. Anisan’ireo vokatra azo tamin’izany ireto manaraka ireto : Sokajy lehilahy-Bbc # Fobb (39-31), Fobb # Mmbc (38-37). Sokajy vehivavy-Jcba # Mmbc (56-51). Amin’ny faha-12 sy faha-13 janoary izao indray no tohin’ireto “Tournoi” ireto mbola eny amin’ny kianjan’Ankorondrano hatrany.

Ny 12 janoary 2019 : lalao sokajy U 10 sy ankatoky ny famaranana Super-Vétérans.

Ny 13 janoary 2019 : Lalao 3 x 3 U 10 zazalahy    sy  lalao Kids Star U 10 Team Aranty kapitenin’ny Jcba zazalahy # Team Mitia kapitenin’ny Mb2All zazalahy  ary lalao famaranana Super –Vétérans.

 

Ntsoavina Evariste

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT