Sport

Basket Tournoi St Sylvestre Lasan’ny BTS Analamahitsy ny ondry matavy


  • Alakamisy 03 Janoary 2019

Lasan’ny ekipan’ny BTS avy eny Analamahitsy ny ondry matavy natao amboara tamin’ny fifaninanana basikety « Tournoi St Sylvestre »

 

nokarakarain’ny mpikarakara hetsika Ekarakara Evt  tarihan’ny filohany, Red Borgia,  notanterahina nanomboka ny 22 ka  nifarana ny 31 desambra 2018 ora vitsivitsy nialohan’ny fiafaran’ny taona 2018. Ny ekipan’ny DASOL avy eny Talatamaty no lavon-dry zareo 99-97 teo amin’ny lalao famaranana notanterahina teny amin’ny kianja Namehana. Marihana fa ny BTS dia nanilika ny BOLO 69-67 teo amin’ny lalao 1/2-famaranana ary ny DASOL nanintsana ny BCNA 114-92. Tsiahivina fa ekipa 8 nozaraina ho vondrona 2 no nandray anjara tamin’ity fifaninanana  ity dia ny TEAM A Manandriana, BTS Analamahitsy, BCNA Namehana,  ANOSY AVARATRA , BOLO Ankadikely, DASOL Talatamaty, VAMPI sy BANDY AKAMA Sabotsy Namehana.

 
Ntsoavina Evariste
 
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT