Sport

Basket Tournoi du Baobab 2018 Namaranan’ny ligin’i Boeny ny taom-pilalaovana


  • Alarobia 02 Janoary 2019

Toy ny fanaon’ny ligin’ny basikety baolina any Boeny isaky ny volana desambra isan-taona dia tontosa tao amin’ny Complexe Sportif Mahajanga tamin’ny sabotsy 29 sy tamin’ny alahady 30 desambra lasa teo ny « Tournoi du Baobab » 2018 izay nifanandrify indrindra tamin’ny fanamarihana ny andiany faha-10 amin’ity fifaninanana ity.

 

 

 Ekipan’i Boeny 10 no nandray anjara teo amin’ny sokajy Open lehilahy  ary 4 kosa teo amin’ny Open vehivavy.  Ekipa 2 ihany kosa no nandray anjara teo amin’ny sokajy U 14 zazavavy ary ekipa 3 kosa teo amin’ny U 14 zazalahy.

VOKATR’IREO LALAO FAMARANANA REHETRA

U14 zazavavy : SEPA vs JSB (58-13)

U14 zazalahy : JSB vs SEPA (57-41)

OPEN vehivavy : COUP DE POUCE vs FIVAZA (49-63)

VETERAN lehilahy : Veteran Tanà vs Sbbc (39-53)

OPEN lehilahy : Dca vs Jsb (86-84)

Nisy  « match de gala » nifanandrinan’ny ekipa voafantin’ny Fmbb notarihan’ny filohany Jean Michel Ramaroson sy ekipan’ny ligin’ny basikey any Boeny notarihan’ny filohany Arnaud Razafindraibe nialoha ireo famaranana rehetra ireo.

 

Ntsoavina Evariste

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT