Sport

Basket – Tournoi Andao Hilalao 2018 Etsy Mahamasina ny 11 aogositra-07 septambra


  • Talata 14 Aogositra 2018

Ny lalao basket-ball Open lahy sy vavy nanasana ny fiangonana samihafa “zokiny sy zandriny” eto Antananarivo sy ny manodidina toy ny avy eny Ivato sy Sabotsy Namehana no nanombohana ny hetsika Andao Hilalao 2018 ahitana basikety,

 

volley-ball ary foot à 7 karakarain’ny Tanora Iarivo tarihan-dRaharimisa Mbolatiana Vonjiniaina miaraka amin’ny CUA « Kaominina Antananarivo-Renivohitra » tamin’ny sabotsy 11 aogositra 2018 teo tetsy amin’ny kianja ivelan’i Mahamasina. Haharitra hatramin’ny faha-7 septambra 2018 izao ity fifaninanana ity, araka ny fanazavana nomen’ity filohan’ny Tanora Iarivo ity teny Mahamasina tamin’ny sabotsy teo, ary isaky ny andro sabotsy no hanatanterahana azy nefa mety ihany ny lalao hatao zoma sy alahady arakaraka ny zava-misy. Noho ny maha andro tsy fiasana ny alarobia 15 aogositra izao dia hisy ny lalao mitotaly 8 hotanterahina amin’io andro io.  

Ntsoavina Evariste


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT