Hotontosaina manerana an’ireo boriborintany 6 eto an-drenivohitra ny fifaninanana basket 5x5 Alley Hoop sokajy U 23 lehilahy karakarain’ny RDJ “Radio Des Jeunes 96.6 Fm” ao anatin’ny fanamarihana ny faha-15 taona niorenany.
Ny ao amin’ny boriborintany faha-5 sy boriborintany faha-6 no hanomboka izany eny amin’ny kianja Analamahitsy Cité sy eny amin’ny kianjan’Ankatso ny 29 sy 30 septambra 2018 ho avy izao. Ny 6 sy 7 oktobra kosa no hanatanterahana an’ireo fifaninanana ho an’ny boriborintany voalohany sy faha-3 ary faha-4 eny amin’ny kianjan’ny firaisankina 67 ha sy eny amin’ny kianjan’ny Esca Antanimena ary eny amin’ny kianjan’Antanimbarinandriana. Nambaran-dRasolojaona Tahina “Jaytaxx”, filoha tale jeneralin’ny Rdj, fa mahazo mandray anjara daholo ny mpilalao rehetra tsy an-kanavaka na manana “licence” na tsia fa teraka tamin’ny taona 1995 fotsiny ny zokiny indrindra. Nambarany ihany koa fa mbola mitohy ankehitriny ny fisoratana anarana ho an’ireo te handray anjara amin’ny fifaninanana ka afaka manatona ny Rdj ao Analakely miaraka amin’ny saram-pandraisana anjara 20.000 ar isaky ny ekipa miaraka amin’ny dika mitovy ny CIN sy fanamarinam-ponenan’ireo mpilalao rehetra izy amin’izany. Hotolorana lelavola 100.000 ar avy ireo mpandresy isaky ny boriborintany 6. Hahazo 1.000.000 Ar kosa ny ekipa mahazo ny amboara Alley Hoop 2k18 ary hiantohana fialantsasatra any Toamasina ihany koa. Ny resy eo amin’ny lalao famaranana kosa dia hahazo 200.000 ar. Ny famaranana dia hatao ao any “village du basket-ball stade annexe Mahamasina” ny 13-14 oktobra 2018.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.