Sport

Basket tompondakan’i Afrika eo amin’ny ekipa tompondaka Lavon’ny Inter Club Angola 84-46 ny Mb2All Malagasy


  • Sabotsy 24 Novambra 2018

Tapitra hatreo ny fandraisan’ny ekipa Malagasy Mb 2All anjara amin’ny fifaninanana basikety vehivavy fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika eo amin’ireo ekipa tompondaka tontosaina any Maputo Mozambika.

 

 

Resin’ny andrarezina Angoley Inter Club  84 – 46, omaly zoma 23 novambra  teo amin’ny lalao ampahefa-dalana natrehany ity ekipa tompondakan’i Madagasikara ity. Nisy ny resadresaka fohy nifanaovan’ny tompon’andraikitry ny serasera ao amin’ny FMBBO, Randriamandimby Harinirina Jimmy Désiré, tamin’ny mpanazatra an’ity ekipa Malagasy ity,  Rakotonanahary  Ndranto “Tagg” taorian’ny lalao tany amin’ny kianja mitafo Pavilhao do Maxaquene  any Maputo Mozambika  izay nanambarany fa “Raha ny haavo teknikantsika aty Maputo dia efa nanambara ireo manampahaizan’ny FIBA fa tsara ny filalaon’ny ekipa Malagasy ary nampitolaga an’ireo teknisianina  avy any amin’ny firenena hafa mihitsy ny fomba fiarovan-tena sy ny fahafehezan’izy ireo milalao  an’iny baolina iny. Manana mpilalao lava ranjanana sy efa manana traikefa amin’ny fiatrehana an’itony fifaninanana itony daholo ireo ekipa nihaona tamin’ny Mb2All raha atao bango tokana na ny First Bank Nigeria na ny  Cnss Rdc na ny Kpa Kenya, indrindra ny Inter Club Angola. Mpilalao vehivavy manana ny hoaviny mamiratra no ao amin’ny Mb2All vehivavy   izay manodidina ny 22 taona eo ny salanisan’izy ireo (misy 4 latsaky ny 20  taona ary 6 latsaky ny 23 taona). Amiko manokana, hoy i Ndranto “Tagg” dia miabo ny  fivoahana voalohany taty Afrika ho an’ny MB2ALL sy ho an’ny Basikety Malagasy mihitsy nefa dia efa tafiditra ao amin’ny top 8 vehivavy sahady isika izao. Fanombohan-javatra iny fa hotohizana  amin’ny fandraisana anjara matetika amin’ny fifaninanana afrikanina ny ezaka mba hahatonga antsika hanana toerana tsara aty Afrika.

Mazava loatra fa ny tanjona taty Maputo  manokana ho an’ny Mb2All dia ny fakana traikefa sy mba hahazoana miatrika ny CCAC indray amin’ny herintaona ka azo lazaina fa fahombiazana ny dia taty Mozambika”.

 

Ntsoavina Evariste

 

 

.

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT