Sport

Basket Tompondaka rejionalin’Analamanga Lavon’ny Dream Team Analamanga ny Ecbba Atsimondrano


  • Alatsinainy 23 Aprily 2018

Noho ny praograman’asa voasoritry ny ligy izay tantanako amin’ny fanatanterahana ny fanapariahana ny lalao basikety any amin’ny seksiona manodidina, hoy ny filohan’ny ligin’ny basikety eto Analamanga, Rasolomalala Fidy,

dia nosafidiana handray ny dingana famarananan’ny ho tompondaka rejionalin’ny basikety N1B Analamanga sokajy lehilahy tamin’ity 2018 ity ny seksiona Ambohidratrimo raha tao Antananarivo-Renivohitra no nanatanterahana ny fifanintsanana rehetra. Notontosaina tao amin’ny kianjan’ny zandary tao Ambohidratrimo nandritra ny 2 andro, sabotsy 21 sy alahady 22 aprily 2018, izany fifaninanana izany ka nivoahan’ny ekipan’ny Dream Team Analamanga ho voalohany. Nitana ny laharana faha-2 kosa ny Ecbba Atsimondrano resiny teo amin’ny lalao famaranana, faha-3 ny ekipan’ny Ngb Avaradrano ary faha-4 ny Tac Bb Antananarivo-Renivohitra. Ho solontenan’Analamanga hiatrika ny ho tompondaka nasionaly N1 B ho tontosaina eto Antananarivo manomboka amin’ity herinandro ity ireo ekipa 3 voalohany tamin’ity fifaninanana ity.

 

Ntsoavina Evariste

 


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT