Sport

Basket – Tompondaka nasionaly U 18 2018 Ekipa 34 lahy sy vavy no handrasana any Tsiroanomandidy


  • Alakamisy 04 Oktobra 2018

Ekipa lehilahy miisa 20 avy amin’ny ligim-paritry ny basikety 14 sy ekipa vehivavy 14 avy amin’ny ligim-paritra 8 no handray anjara amin’ny fifaninanam-pirenena fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara 2018 eo amin’ny taranja basikety baolina sokajy U 18.

Ao amin’ny kianja ivelany Bika ay Tsiroanomandidy Faritra Bongolava no hanatanterahana ny fifaninanana ny 06-14 oktobra 2018. Raikitra izany ny ady handrombahana ny amboara eny am-pelatanan’ny Mb2All Analamanga vehivavy sy Ascb Boeny tompondaka U 18 tamin’ny 2017.  Rahampitso zoma 05 oktobra 2018 takariva ao amin’ny CAPJ Tsiroanomandidy no hanatanterahana ny fivoriana teknika amin’ity fifaninanana ity.

Ireo ekipa lehilahy 20 : Asm (Bongolava), Asa/Mb2all/Dtsc (Analamanga), Ffpro-Bctm/Serasera (Vakinankaratra), Ascut/Squad (Atsinanana), Bbc Ajs Ademo (Alaotra Mangoro), Sbbc (Boeny), Bcf (Amoron’i Mania), ekipa 2 (Matsiatra Ambony), Mfb-Bbcm (Menabe), Texas Rangers (Analanjirofo), Tmm/Fbc (Vatovavy Fitovinany), Sgpi Bc (SAVA), Adm (Itasy), Cosmos (DIANA).

Ireo ekipa vehivavy 14 :  Lucadro/Mb2All/Fandrefiala (Analamanga), Ffpro-Bctm/Serasera (Vakinankaratra), Ascut/Crjs/Cospn 2 (Atsinanana), Tamifa (Amoron’i Mania), Ekipa 2 (Matsiatra Ambony), Snbc (Itasy), As Jetno (DIANA), Usjfm (Atsimo Andrefana).

 

Ntsoavina Evariste

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Tsindrin'i Etazonia
  • Talata 28 Aprily 2026

momba ny Mondial 2026

  • FANATANJAHANTENA
  • Talata 28 Aprily 2026

AN-TSEKOLY

  • Disadisan'ny
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Federasiona sy ny Mpitsara

  • Kianja BAREA Mahamasina
  • Zoma 24 Aprily 2026

Telo andro ho an'ny Fanatanjahantena

  • Kianjan’i Mahamasina
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Kasaina hovaina bozaka

  • Kintan'ny Kitra Malagasy
  • Alatsinainy 16 Martsa 2026

Nodimandry i Dezy Ramasy

Hijery ny tohiny
FTT