Sport

Basket tompondaka nasionaly 3X3 Nahery ny Mb2All sy Fandrefiala ny U 14 ary Gnbc sy Sbbc Sénior


  • Alatsinainy 25 Jona 2018

Tsy tonga ny ekipa Seychellois (Forfait) tokony hifanandrina amin’ny ekipa Malagasy tamin’ny “AFROBASKET U18 MEN 5x5” teny Ankatso amin’ny fifanintsanana aty amin’ny “Zone 7”.

Tafakatra ho azy hiatrika ny dingana famaranana  hatao any  Mali amin’ny volana aogositra 2018 ny U 18 zatovolahy Malagasy, hoy ny filohan’ny Federasion’ity taranja ity, Ramaroson Jean Michel teny Ankatso omaly. Tsy nisy noho izany ny basket 5X5 teny Ankatso fa ny basket 3X3 no natreahan’ny rehetra ka nahafantarana fa  :

Ny Mb2All  U 14 zazavavy sy ny Fandrefiala U 14 zazalahy ary ny Sbbc “senior” vehivavy sy Gnbc “senior” lehilahy no voahosotra ho tompondaka 2018.

Ny  JCBA U 14 zazavavy sy Jcba U 14 zazalahy ary ny Mb2All “senior vehivavy” sy Cosfa 1 “senior lehilahy” no tompondaka lefitra.

Laharana faha-3 avy ny Lucadro U 14 zazavavy, Ascut U14 zazalahy,  Fandrefiala “senior vehivavy”, Cnaps 1 “senior lehilahy”.

Ekipa nahazo ny  « Fair Play » : EBF zatovolahy sy AS EMMA zatovovavy

« Tris-Pointeuse » : Hanitra LUCADRO.  « Tris-Pointeur » : Tojo ASB.

 

Ntsoavina Evariste




 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT