Sport

Basket Tompondaka N1 A dingana faha-2 Mitarika ny Gnbc lehilahy sy ny Mb2All vehivavy


  • Alatsinainy 09 Septambra 2019

Taorian’ny “trêve papale” tamin’ny sabotsy sy omaly alahady dia hitohy anio alatsinainy 09 septambra ny fifaninanana basikety fiadiana ny ho tompondaka nasionaly 2019 sokajy N1 A lahy sy vavy izay

 

tontosaina etsy amin’ny Lapan’ny kolontsaina sy fanatanjahantena etsy Mahamasina ka ny andro faha-3 no hotanterahina amin’izany.

Fandaharan-dalao alatsinainy 09 septambra 2019 :

Grande salle Palais des sports : 09:00-(H) : Cosmos DIANA  # Ecbba A/Manga ; 10:45-(D) : Bcest A/Andrefana  #  Ankaratra Vaknà ; 12:30-(H) : Ascut Ats/na  #  2Bc A/Jirofo ; 14:15-(H) : Ascb Boeny #  Cosfa A/Manga ; 16:00-(D) : Mb2All A/Manga # Tamifa A/Mania ; 17:45-(H) : Sebam Boeny  # Cospn A/Manga .

Petite Salle Palais des sports : 10:00-( H) : Gnbc Vaknà # As Fanalamanga Al/Mangoro.  

Eo amin’ny filaharana vonjimaika ankapobeny taorian’ny andro roa voalohany dia mitarika eo amin’ny sokajy lehilahy ny Gnbc Vaknà manana isa 16, faha-2 ny Cospn A/Manga isa 15 ary faha-3 mitovy ny Cosmos DIANA sy Ascb Boeny samy manana isa 14 avy. Eo amin’ny sokajy vehivavy kosa dia ny Mb2All A/Manga no mitarika amin’ny isa 12 arahin’ny Sbbc isa 5, ary faha-3 mitovy samy manana isa 8 avy ny Tamifa A/Mania sy ny Ankaratra Vaknà ary ny Asa A/Manga.

 

Ntsoavina Evariste

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT