Sport

Basket Tompondaka 2018 sokajy U 16 Nanao pao-droa ny Mb2All Analamanga


  • Talata 02 Oktobra 2018

Nifarana ny alahady teo tany Farafangana Faritra Atsimo Atsinanana ny fifaninanana basket fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara sokajy U16 lahy sy vavy rehefa naharitra 9 andro be izao.

 

 

 

 Nanao pao-droa ny ekipan’ny Mb2All Analamanga fa lasan’izy ireo avokoa ny anaram-boninahitra tompondakan’i Madagasikara 2018 sokajy U 16 na  teo amin’ny sokajy lehilahy na teo amin’ny sokajy vehivavy. Ny Mb2All lahy nandavo ny Cospn 2 Atsinanana 64-48 ary ny Mb2All vavy kosa nandresy ny Ffpro Vakinankaratra 57-56.Nitana ny laharana faha-3 teo amin’ny lehilahy ny Asct Atsinanana nandresy ny Ffpro Bctm vakinankaratra 69-66 ary teo amin’ny vehivavy kosa ny Fandrasa Matsiatra Ambony nandavo ny Asut Atsinanana 58-50. Vohosotra  ho mapampidi-baolina be indrindra vehivavy i Tang Miou Alicia/N°13/COSPN2 Atsinanana/ isa 107. Ny lehilahy kosa dia Randrianarivo Willy/N°6/FANDRASA Matsiatra ambony/ isa 164.Mpilalao mendrika indrindra vehivavy i Hanitrinomena Tokiniaina/N°14/MB2ALL Analamanga ary ny lehilahy kosa dia Andrianiaina Safidy/MB2ALL Analamanga

 

Ntsoavina Evariste

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT