Sport

Basket Sokajy U 18 tany Toliara Tompondaka ny Ascut vehivavy sy Mb2All lehilahy


  • Alatsinainy 21 Oktobra 2019

Voahosotra ho tompondakan’i Madagasikara 2019 eo amin’ny taranja basikety sokajy U 18 ny ekipa tovovavin’ny Ascut Atsinanana sy ny

 

 

 

ekipa tovolahin’ny Mb2All Analamanga. Teo amin’ny U 18 zatovovavy dia resin’ny Ascut Atsinanana 72-69 teo amin’ny lalao famaranana omaly alahady 20 oktobra 2019  ny zatovovavin’ny Fandrefiala Analamanga. Ny Mb2All Analamanga zatovovavy nandresy ny  Tamifa Amoron’i Mania 72-81 kosa no nitana ny laharana faha-3. Teo amin’ny U 18 zatovolahy kosa, lavon’ny Mb2All  tamin’ny 74-60  ny  Ascut Atsinanana teo amin’ny famaranana. Nitana ny laharana faha-3 teo amin’ny zatovolahy ny  Serasera Vakinankaratra nandavo ny  Bcest Atsimo Andrefana 76-54. Ny Telma hatrany no nanolotra an’ireo amboara tamin’ity “Championnat basket U 18” tany Toliara ity.

 

Ntsoavina Evariste

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT