Basket- Road to ball

Tafita ny COSPN


  • Alatsinainy 09 Oktobra 2023

Tena tsy niady ity Road to ball indray mandeha izay tafiditra amin'ny fifaninana izay ho tompondakan'i Afrika amin'ny

basket isan-tarika. Nandresy ny Kaomoro ny COSPN ary dia mbola nandresy mazava ny Beau Vallon Heat avy atsy Seychelles tamin'ny isa 76 noho 57.Tena tsy niady na dia nisy ireo Amerikanina roa aza andaniny sy ankilany. Raha tany amin'ny Beau Vallon i James Oliseh dia tao amin'ny COSPN kosa i Manny Umeadi izay tena havanana amin'ny famonoana baolina.
Somary tsy dia tazana kosa omaly i Bila sy Livio izay manary baolina sady tsy mahafaty rehefa mahazo adisoana.
Raha tsorina dia mbola mila miezaka mafy raha te ahita vokatra tsara any amin'ny vondrona misy ekipa 12.
Mila miezaka koa ny Polisy mba hameno ny kianja satria mbola volabe no misndry rehefa mandeha Afrika.

Clément RABARY 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT