Basket

Nesorina i Rick Ley


  • Alatsinainy 29 Aprily 2024

Miova kely indray ireo Ankoay handray anjara amin'ny fiadiana ny tompondaka

eran-tany any Debrecen ny 16 ka hatramin'ny 19 may ho avy izao.Tsy tao anaty lisitra intsony i Rick Ley Loubacky ary nosoloana an'i Anthony Rasolomanana. Lasa polisy telo izany no ao amin'ity ekipam-pirenena ity satria mbola avy ao amin'ny COSPN ity mpilalao vaovao ity ary mety ny fahaizana miaraka no nandresy lahatra an'i Deda Randrianarivelo hanova. Voatazona izany i Livio Ratianarivo sy Arnol Solondrainy.Ary dia zandary iray no manampy azy ireo dia Elly Randriamampionona.Ny tanjona moa amin'izao fifaninana atao any Hongria izao dia ny hakana ny tapakila handehanana any amin'ny Lalao Olimpika any Paris.
Clément RABARY
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT