Sport

Basket N1 B D sy U 20 G Tompondaka ny Cospn2 vehivavy sy ny Mb2All zatovolahy


  • Talata 14 Mey 2019

Tontosa ny alahady 12 mey 2019 teo tany amin’ny kianja Drjs Fenoarivo-Atsinanana ireo lalao famaranan’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara 2019 taranja basket-ball sokajy N1 B D sy U 20 G.

 

 

 

Voahosotra ho tompondakan’i Madagasikara ny  Cospn 2 Atsinanana N1B vehivavy rehefa nandresy ny Mb2All Analamanga 58-53 teo amin’ny lalao famaranana, sy ny Mb2All Analamanga U 20 zatovolahy nandavo an’ny Ascb Boeny 91-84 teo amin’ny famaranana. Nitana ny laharana faha-3 kosa teo amin’ny N1 B vehivavy ny Crjs Atsinanana nandresy ny Serasera Vakinankaratra 61-46. Teo amin’ny U 20 zatovolahy kosa ny 2bc Analanjirofo nandavo ny  Serasera Vakinankaratra 58-55. Nanohana sy nanolotra amboara sy fanomezana samihafa toy ny mahazatra ny Telma tamin’ity fifaninanana ity.

Efa manangasanga any kosa ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara 2019 eo amin’ity taranja ity dingana voalohany sokajy N1A  lahy sy vavy izay hotontosaina any Antsiranana ny 18-26 mey 2019.

 

Ntsoavina Evariste

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT