Miala sasatra kely anio alakamisy 25 oktobra ireo mpifaninana lahy sy vavy miatrika ny fiadiana ny ho tompondaka nasionaly 2018 taranja basikety sokajy N1 A taorian’ny fahavitan’ny andro faha-6 tamin’ny fifanintsanam-bondrona omaly alarobia 24 oktobra. Miditra amin’ny lalao 1/4-dalana rahampitso zoma 26 oktobra ny fifaninanana.
Vokatry ny andro faha-6 tetsy amin’ny lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina omaly alarobia :
(D) : Asa Analamanga 43 – 119 Sbbc Boeny ; Jsb Boeny 80 – 78 Bc Est Atsimo Andrefana ; Mb2All Analamanga 62 – 58 Fandrefiala
(H) : Ascb Boeny 84 – 71 Tmbb Analamanga ; Gnbc Vakinankaratra 101 – 72 Cosmos Secren DIANA ; 2Bc Vakinankaratra 71 – 77 Sbbc Boeny ; Sebam Boeny 57 – 74 Ascut Atsinanana ; Cospn Analamanga 66 – 64 Mb2All Analamanga
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.