Sport

Basket FIBA ACCW 2018 Maputo Ireo mendrika indrindra tamin’ny fifaninanana


  • Alarobia 28 Novambra 2018

Tsiahivina fa nifarana tamin’ny alahady 25 novambra 2018 lasa teo tany Maputo Mozambika ny lalao basikety FIBA ACCW 2018 « Fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika eo amin’ireo ekipa tompondaka sokajy vehivavy ».

 

 

 

 Voahosotra ho tompondaka tamin’izany ny ekipan’ny C.F.M avy any Mozambika rehefa nandresy ny ekipan’ny Interclube avy any Angola tamin’ny isa 59-56. Toy izao ny filaharana ofisialy farany an’ireo ekipa nandray anjara tamin’ity fifaninanana ity : 1°-D.FM  (Moz), 2°-Interclube (Ang), 3°-First Bank (Ngr), 4°-V-Club (Cod), 5°-F.A.P (Cmr), 6°-I.N.S.S (Cod), 7°-K.P.A (Ken), 8°-Mb2All (Mad), 9°-Equity Bank (Ken), 10°-Lakers (Zim) ka ny Mb2All Malagasy no nandrombaka ny amboaran’ny Fair Play.

Niisa 5 kosa ireo mpilalao mendriky ny fifaninanana :

 

-Mpampidi-baolina betsaka indrindra 120 pts : Jamila Nansikombi n°6 First Bank (Ngr)

-Mpaka baolina mendrika indrindra (76) : Ginette Mfutila n°16 First Bank (Ngr)

-Mpampidi-baolina isa 3 be indrindra (43%) : Anabena Cassa n°10 Cfm (Moz)

-Mpilalao mendriky ny fifaninana (MVP) : Lucas Italee n°6 Interclube (Ang)

-Mpilalao voafantina ho 5 mendrika indrindra : Aisah Mohamed n° 19 First Bank (Ngr)

 

Ntsoavina Evariste

 

Ireo mpilalao 5 mendrika tany Maputo Mozambique

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT