Sport

Basket FIBA 3x3 Mpitsara Malagasy mirahalahy afa-panadinana


  • Alarobia 18 Martsa 2020

Navoakan’ny FIBA tany Abidjan Côte d’Ivoire tamin’ny fiandohan’ity herinandro ity ny valin’ny fampifanana mpitsara basikety FEBA 3x3 andiany faha-25 ka nahitana kandida 5 afaka tamin’ny “tests” natao.

 

 

 

Tany Kampala Ouganda tamin’ny fanatontosana ny Africa Cup  FIBA 3x3 U 18 tamin’ny volana novambra tamin’ny taon-dasa no nampanaovana “Test” an’ireo kandida niisa 8 avy amin’ny firenena 4 ka izao afaka soa aman-tsara tamin’ny fizahana natao izao ny 5 tamin’izy ireo ka afaka hiantsoroka ny maha-mpitsara FIBA 3x3 Licence C azy ireo . Teratany Malagasy ny 2 amin’izy ireo. Ireto avy ary ireo mpitsara afa-panadinana ireo : Mary Auma Oriaro (Kenya), Dortothy Okatch (Botswana), Tojonirina Andriamanantsoa sy Yann Vezo Davidson (Madagascar) ary Monica Nassuuna (Ouganda)

 

 

Ntsoavina Evariste

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT