Sport

Basket Fiba 3 x 3 Africa Cup Qualifiers Fantatra ireo mpilalao Malagasy hiaro ny voninahim-pirenena


  • Sabotsy 28 Jolay 2018

Navoakan’ny FMBB « Federasion’ny Basikety Malagasy » omaly zoma fa ny mpilalao lehilahy Mandimbison Constant Fabrice,

 
Randriamampionona Elly, Kakay Enrico Fermi ary Loubacky Rick-Ley sy ireo mpilalao vehivavy Randriatahina Ravaka Sarobidy, Raholiarisoa Fanjatina Perle, Malazarivo  Jocelyne ary Hajanirina  Harisoa Muriel no voafidy hiaro ny voninahitr’i Madagasikara amin’ny lalao Basket Fiba 3 x 3 fifanintsanana Afrika aty amin’ny Vondrona A milalao aty Madagasikara hahazoana miatrika ny famaranana Fiba Afrique 3 x 3  2018 hotontosaina any Togo amin’ny volana septambra 2018. Vondrona tokana ahitana ekipa 6 mifaninana ny ao amin’ny sokajy lehilahy ka ny 4 voalohany amin’izy ireo dia  samy handeha ho any Togo avokoa. Vondrona tokana ihany koa saingy ahitana ekipa 4 ny ao amin’ny sokajy vehivavy ka ny 3 voalohany amin’ireo kosa no hahazo tapakila mankany Togo. Hanomboka amin’ny 12 ora antoandro ny fihaonana anio sabotsy 28 jolay 2018 : Uganda # Tanazania (L) arahin’ny lalao : Madagascar # Rdc ka tsy hifarana raha tsy any amin’ny 7 ora hariva any etsy amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina. Any amin’ny 4ora sy 10 tolakandro ny lanonam-panokafana ofisialy ny hetsika.

 

Ntsoavina Evariste

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT