Sport

Basket « Coupe du Président » Zône Centre Lavon’ny Cospn 70-60 ny Mb2All omaly tao Toamasina


  • Alatsinainy 05 Martsa 2018

Ny Cospn Analamanga no voahosotra ho tompondakan’ny Zône Centre eo amin’ny fifaninanana hahafahana miatrika ny Play Off any Toliara amin’ny fiadiana ny “Coupe du Président” amin’ny taranja baket-ball andiany faha-4.

 Lavony tamin’ny isa 70-60, omaly alahady 04 martsa 2018, teo amin’ny lalao famaranana natao tao amin’ny kianja mitafon’i Soavita Toamasina ny ekipan’ny Mb2All Analamanga ihany koa. Ireto ekipa roa ireto izany no solontenan’ny Faritra Afovoany eo amin’ny lalao Play Off ho tontosaina any Toliara.

Hoan’ny Zône Centre Est kosa dia ny Usf Matsiatra Ambony no tafavoaka ho tompondaka raha naharesy  ny Ami V7V 78-66 koa omaly alahady teo amin’ny lalao famaranana natao tany amin’ny kianja mitafon’Ambatomena Fianarantsoa. Ireo ekipa roa ireo ihany koa izany no misolontena an’ity Faritra ity any amin’ny Play Off hanomboka any Toliara ny 17-25 martsa 2018.

 

Ntsoavina Evariste


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT