Ny ekipan’ny Cosmos (DIANA) no tompondakan’ny Faritra Avaratra teo amin’ny fifanintsanana « Coupe du Président » eo amin’ny taranja basikety.
Izy no nitana ny laharana voalohany tao amin’ity Faritra ity. Lavony tamin’ny isa 91-71 tamin’ny alahady 11 febroary teo ny ekipan’ny Sebam (Boeny). Teo amin’ny lalao fiadian-toerana faha-3 kosa dia resin’ny As Victoire (Boeny) 72-64 ny As Chicago (DIANA).
Voka-dalao andro faha-3 alatsinainy 12 febroary Faritra Atsimo :
AS FIVOY Androy # AJFB Androy (39-48)
AS VANTIOGNE Androy # BCA Androy (47-43)
Fandaharan-dalao andro faha-4 talata 13 febroary :
JCT Androy # BCA Androy
BCA Ihorombe # AS VANTIOGNE Androy
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.