Sport

Basket « Coupe du Président» Norombahin’ny SBBS Boeny ny Amboara 2016


  • Alatsinainy 07 Martsa 2016

Nifarana omaly alahady 6 martsa hariva tany amin’ny « Complexe Sportif de Mahajanga » ny fifaninana basikety baolina niadiana ny Amboaran’ny Filoham-pirenena taona 2016.

 

 Lasan’ny ekipan’ny SBBC Boeny mpampiantrano ny amboara rehefa lavony tamin’ny isa 105-78 teo amin’ny lalao famaranana ny Cospn Analamanga nifanandrina taminy (28/22-26/16-23/19-28/21). Nomen’ny Sbbc voninahitra ny Faritr’i Boeny fa izy no nisantatra ny fandresena tamin’ny filalaovana voalohany tao amin’ny kianja vaovao any Mahajanga.Marihina fa ny Sbbc Boeny dia nandavo ny Challenger Analamanga 81-68 ny sabotsy 5 martsa teo amin’ny ankatoky ny famaranana ary ny Cospn Analamanga kosa dia nanilika ny 2Bc Vakinankaratra 85-77. Teo amin’ny fiadian-toerana faha-3 moa dia ity farany no nahery rehefa nandavo ny Challenger 83-63.

 

Ntsoavina Evariste

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i MaĂ®tre
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT