Sport

Basket “Coupe du Président” Nanomboka ny sabotsy teo any Toliara ny Play Offs


  • Talata 20 Martsa 2018

Natomboka sy nosokafana ofisialy tamin’ny sabotsy 17 martsa teo, tao amin’ny kianja mitafon’i Toliara ka haharitra hatramin’ny alahady 25 martsa ny dingana Play Offs tafiditra eo amin’ny fifaninanana fiadiana ny amboaran’ny filoham-pirenena andiany fahatelo eo amin’ny taranja Basikety Baolina.

Navondrona ao amin’ny vondrona 2 ireo ekipa isaky ny Faritra tafita amin’izany ka ao amin’ny Vondrona A no ahitana ny Cospn Analamanga, Bca Ihorombe, Sebam Boeny, ny Cnaps Itasy ary ny As Fanalamanga Alaotra Mangoro. Ao amin’ny Vondrona B kosa no misy ny Cosmos DIANA, Asb Itasy, Usf Matsiatra Ambony, Mb2All Analamanga, Jbc Atsimo Andrefana ary ny Cosfa Analamanga.

Vokatra azo tamin’ny andro faha-3 notontosaina omaly alatsinainy 19 martsa :

ASB (Itasy)  79 – 88  USF (H/M)

Bca (Ihorombe)  52 – 98  SEBAM (Boeny)

CNAPS (Itasy)  56 – 102  COSPN (A/manga)

 

Ny andro faha-4 no hotontosaina anio any Toliara

Ntsoavina Evariste


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT