Sport

Basket «Coupe du Président » 2018 Mb2All vehivavy sy Gnbc lehilahy no nibata ireo amboara


  • Alatsinainy 16 Aprily 2018

Lasan’ny ekipan’ny Mb2All vehivavy sy ny Gnbc lehilahy ireo amboara sy sora-bola 2.000.000 ariary avy tamin’ny fifaninana « Coupe du Président » 2018.

 

 Tontosa omaly alahady 15 aprily tetsy amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina ary natrehan’ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina izay notoloran’ny Fmbb amboara manokana notronin’ny minisitra vitsivitsy ireo famaranana tamin’ity hetsika ity. Teo amin’ny sokajy vehivavy ary dia resin’ny Mb2All Analamanga 62-49 ny Sbbc Boeny, ny ekipan’ny Fandrefiala kosa no nitana ny laharana faha-3. Teo amin’ny lehilahy indray dia lavon’ny Gnbc Vakinankaratra 98-92 taorian’ny fanalavam-potoana ny Ascut Atsinanana. Ny ekipan’ny Ascb Boeny kosa no nitana ny laharana faha-3. Voahosotra ho mpilalao mendrika indrindra vehivavy i Hajanirina Murielle (Mb2All) ary Mandimbison Fabrice (Gnbc) kosa teo amin’ny lehilahy. Mpampidi-baolina be indrindra i Judith Fandrefiala (isa 99) sy Livio Ascb (isa 153). Samy nahazo fanomezana samihafa tamin’ireo mpanohana notarihan’ny Telma avokoa izy ireo. Voarafitra ihany koa ireo mpilalao voafantina lehilahy tamin’ny “Coupe du Président” hihaona amin’ny Rosiana amin’ny 20 aprily izao eto Antananarivo : Ninisy (Ascb), Tanjona (Ascut), Elie (Gnbc), Livio (Ascut), Fabrice (Gnbc), Lalasono (Ascut), Kakay (Cosfa), Francis (Gnbc), Faralahy (Ascb), Ibrahim (Ascut), Lova (Gnbc). Nono 5 (Ascb) sy Baomba (Ascut) no mpanazatra.

 

Ntsoavina Evariste


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT