Sport

Basket Challenge Baobab andiany faha-10 Ekipa 10 no handrasana any Mahajanga ny 22-30 desambra izao


  • Alakamisy 20 Desambra 2018

Tapitra omaly alarobia 19 desambra 2018 ny fisoratana anarana hahazoana mandray anjara amin’ny fifaninanana basikety baolina “Challenge Baobab”

 

 

 

 andiany faha-10 karakarain’ny ligim-paritry ny basikety baolina any Boeny izay ho tanterahina ao amin’ny Complexe Sportif any Mahajanga. . Nambaran’ny filohan’ity ligy ity, Razafindraibe Arnaud, fa noho ny antony fiatrehana ny fifidianana filoham-pirenena sy ny mifandraika aminy ankehitriny dia ligy 2 ihany no manana solontena hiatrika an’ity fifaninanana ity dia Betsiboka sy Boeny mpampiantrano. Ekipa miisa 9 eo amin’ny sokajy U 14 (vavy 4 sy vavy 5) sy ekipa sokajy Open miisa 15 (lehilahy 10 sy vehivavy 5) no fantatra fa handray anjara amin’ny fifaninanana. Mialohan’ny 1/2-famaranana sy ny lalao famaranana amin’ny 29 sy 30 desambra 2018 kosa dia  hikatroka amin’ny lalao mandroso sy miverina ny Vétérans Tanà ho tarihan’ny filohan’ny FMBB sy ny Vétérans Ligy Boeny mihaotra ny 45 taona. Ao anatin’izany fanatanterahana ny famaranana izany koa no hanatanterahana ny fifaninanana “Dunk” sy ny fifaninana tifitra isa 3.

 

Ntsoavina Evariste

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT