Sport

Basket CCCOI 2017 – Andro faha-4 Hifanehatra anio ny vehivavy Malagasy Mb2All sy Fandrefiala


  • Talata 26 Septambra 2017

Miditra amin’ny andro faha-4 anio talata 26 septambra etsy amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina ny fifaninanana basikety CCCOI na fiadiana ny ho tompondakan’ny Ranomasimbe Indiana amin’ireo ekipa tompondaka.

Tamin’ny andro faha-3 notontosaina omaly alatsinainy 25 septambra dia mbola mitohy ny fisongadinan’ireo ekipa Malagasy na lahy na vavy mandray anjara amin’ity fifaninanana ity na dia teo aza ny ady sahala azon’ny Bcm Mayotte nanoloana ny Gnbc Madagasikara araka izao vokatra azo izao :

 

(L) : Usoni Basket (Comores) # Premium Cobra (Seychelles) (55-74)
(V) : B Challenge (Seychelles) # Mb2All (Madagascar) (32-79)

(L) : Real Basket (Maurice) # Ascut (Madagascar) (65-105)

(L) : GNBC Madagascar # BCM Mayotte (78-78) Prolongation

 

Hisongadina eo amin’ireo lalao hatrehana anio talata etsy amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena etsy Mahamasina ihany ny fihaonan’ny ekipa vehivavy roa sangany Malagasy dia ny Fandrefiala sy ny Mb2All.

 

Fandaharan-dalao anio talata 26 septambra 2017 :

 

10:00-MB2ALL Madagascar # FANDREFIALA Madagascar (V)

12:00-PREMIUM COBRA Seychelles # BCM Mayotte (L)

14:00-B CHALLENGE Seychelles # TAMIFA Madagascar (V)

16:00-TCO Mayotte # BEAU VALLON Seychelles (L)

18:00-COSPN Madagascar # USONI BASKET Comores (L)

 

Ntsoavina Evariste

 


 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT