Sport

Basket BIG SÔMA 3x3 2019 Hangotraka ny fety any amin’ny torapasik’i Sôma Beach


  • Zoma 09 Aogositra 2019

Azo antoka fa hangotraka indray ny fetin’ny basikety ao amin’ny torapasik’i Sôma Beach any Mahajanga manomboka anio zoma 09 sy rahampitso sabotsy 10 ary amin’ny alahady 11 aogositra amin’ny

 

 

fikarakaran’ny fikambanana BIG SÔMA tarihan’ny filoha mpanorina azy, Orlando Robimanana miaraka amin’ny ligim-paritry ny taranja basikety any Boeny  ary eo ambany fiahian’ny Federasiona Malagasin’ny Basket-Ball sy ireo mpanohana ny hetsika tarihan’ny Telma ny fifaninanana Basket Big Sôma 3x3 2019 natokana ho an’ny sokajy lehilahy sy sokajy vehivavy. Na izany aza, indro kely ny tsy mbola maha vakansy tanteraka ny andro eto amintsika amin’izao fotoana izao ka mety handiso paika an’ireo mpikarakara  ihany. Marihina fa tontosa omaly alakamisy 08 aogositra takariva ny dinika teknika  amin’ity fifaninanana ity.

 

Ntsoavina Evariste



Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT