Sport

Basket Be Seksiona Ambohidratrimo Nifarana ny sabotsy teo ny andiany voalohany


  • Alatsinainy 31 Desambra 2018

Nifarana tamin’ny sabotsy 29 desambra 2018 teo, teny amin’ny kianjan’ny RFI Ivato, ny andiany voalohany tamin’ny hetsika Basket Be nokarakarain’ny seksion’ny basikety baolina eny Ambohidratrimo.

 

 

Nambaran’ny filohan’ity seksiona ity, Rajoelimanantsoa Fidson Phaelien  fa afa-po ry zareo mpikarakara tamin’ny ankapobeny fa tratra ny tanjona dia ny nanentanana  an’ireo ekipa ety amin’ny seksiona hanetsiketsika ny tanàna ara-panatanjahantena ao anatin’ny andro fialantsasatra mialoha ny hidirana amin’ny fiadiana ny « championnat 2019 ». Nahatratra 40 ireo ekipa namaly ny antso, hoy izy, ka ny 20 tamin’ireo dia teo amin’ny sokajy Sénior lehilahy avokoa ary nisy ireo ekipa ivelan’ny seksiona nandray anjara. Omby natolotry ny Happy Life no natolotra an’ireo sokajy zokiny tamin’ity fifaninanana ity raha amboara natolotry ny mpiara-miombon’antoka : ny orinasa Nogae Andranomena kosa no natolotra an’ireo sokajiny zandriny.

Vokatr’ireo lalao famaranana rehetra tamin’ny sabotsy :

U 12 (F) : Asf 25 – 12 Lucadro ; U12 (G) : Cosbaimi 28 – 39 Fandrefiala

U14 (F) : Asf 49 – 47 Lucadro ; U 14 (G) : Dtsc 1  75 – 62 Fandrefiala

Vétéran (D) : Mmbc 48 – 50 Team Playliste ; Vétéran (H) : Bcr 58 – 61 Obb 

Sénior (H) : Escapara 50-55 Asb ; Sénior (D) : Lucadro 73 – 49 Asf

Match de Gala : Ankarana 35 – 38 Ekipa voafantin’Ivato

 

Ntsoavina Evariste

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT