Sport

Basket-ball vehivavy Malagasy Mizotra tsara ny fanomanana ny lalaon’ny nosy 2019


  • Alakamisy 04 Aprily 2019

Mizotra tsara ankehitriny ny fanomanan-tena ataon’ny ekipam-pirenena vehivavy Malagasy taranja basket-ball tarihan’ny mpanazatra mirahalahy Ndranto (Mb2All) sy Mémé (Asa Analamanga) hiatrika ny lalaon’ny nosy 2019 hatao any Maorisy amin’ny volana jolay ho avy izao.

 

 

Tetsy amin’ny “petite salle” etsy amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina izy ireo no tazana nanao fanazarantena omaly alarobia 03 aprily 2019. Nambaran’ireto mpanazatra ireto fa mbola misy 30 andro no tavela amin’ny fampivondronana voalohany natrehan’izy ireo efa ho 2 herinandro katroka izao. Mbola hisy ny fampivondronana faharoa haharitra 45 andro hatrehan-dry zareo manomboka amin’ny 1 jona izao mialoha ny hiaingana ho any Maorisy. Mahatratra 20 ireo mpilalao basikety vehivavy nantsoina hiatrika an’ity fampivondronana ity : 8 avy amin’ny Mb2All, 6 avy amin’ny Bbc, 2 Fandrefiala, 2 Jsa, 1Jea ary 1 Ascut. 12 amin’izy ireo no hotazomina farany ho any Maorisy any amin’ny faramparan’ny fampivondronana faharoa.  Ny nataonay aloha tamin’ity fampivondronana voalohany ity dia nandrindra ny  fiarahan’ireto mpilalao ireto izay hita fa tanora matanjaka avokoa  ka mora mifandray tsara fa ny resaka teknika sy traikefa no hanampiana azy ireo kely.

 

Ntsoavina Evariste

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

+

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT