Sport

Basket-ball U19 Tsy nitsanga-menatra ny Ankoay


  • Talata 27 Jona 2023

Tsara ny zava-bitan'ny Ankoay U19 nandritry ny fiadiana ny tompondaka eran-tany any Debrecen Hongria. Resin'ny Amerikanina tamin'ny isa mavesatra 136 noho 69 ny Malagasy fa na izany aza dia nanohitra ihany.

Mbola nanamarika iny fihaonana ny sabotsy iny i Mathias M'Madi izay namono baolina be indrindra. Nahafaty baolina 28 izy raha nijanona ho 21 ny an'ilay Amerikanina Tro Johnson. Toa izany koa i Lova Andriatsarafara izay nahasakana baolina 11 mitovy amin'ilay bonkona be Awaka. Mbola i Mathias M'Madi ihany koa no nampiditra baolina betsaka indrindra raha nihaona tamin'ny Liban ny alahady. 34 ny baolina matiny raha 22 kosa ny an'i Lova kapiteny. Tena nataon'ny Ankoay tsy nisotro rano ireto Liban ireto. Nanova filalao ry Mémé Randria ka nisafidy ny fanaon'ireo Amerikanina izay nanao iray sy iray nandridritry ny ampaha-,potoana voalohany. Somary niova indray ny fidirana fahatoa ka lasa efatra misikatra izay noararaoton'ny ankilany hanenana ny isa .Nifoha indray anefa ry Jerry sy Donovan ka nanomboka tataka ny isa. Teo amin'iny lazon'ady izany no bampiseho ny fahaizany ny Malagasy Miakatra eo amin'ny laharana fahatelo izany ny Ankoay satria resin'i Slovenia amin'ny elanelanisa (goal average). Ireto avy any Slovenia ireto no hifandona amin-dry Mathias anio tolakandro amin'ny 4 ora. Marihina fa samy tafakatra amin'ny 1/4dalana moa ny rehetra saingy raha izao no toerany dia mihaona amin'ny faharoa atsy amin'ny ilany ny Ankoay.
Clément RABARY
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT