Hotanterahina any Antsohihy Faritra Sofia manomboka rahampitso zoma 28 jona ka haharitra hatramin’ny alahady 30 jona 2019 ny fifaninanana basikety hivoizana ny ady amin’ny Tazo Moka andiany faha-36 karakarain’ny Ong ASOS
Madagascar «Actions socio-Sanitaires et Organisation Secours » miaraka amin’ireo mpiara-miombon’antoka maromaro ka hivoizana ny lohahevitra : “Izaho handray andraikitra, ho foana ny tazomoka”. Distrika 11 no fantatra fa handray anjara amin’ity hetsika ity dia Antsohihy, Mandritsara, Befandriana, Bealanana, Analalava, Port Bergé, Mampikony, Ambilobe, Ambanja, Nosy Be ary Brickaville. Ny sokajy senior lehilahy sy vehivavy no handray anjara ao amin’ny kianjan’i Bruce, kianjan’ny Zandary any Antsohihy ary ao amin’ny kianjan-dry Masera.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.