Sport

Basket ball Noraisina teny Iavoloha ny Ankoay U18


  • Alakamisy 25 Aogositra 2022

Fifaliana lehibe ho ahy ny nandray ireto tanora malagasy namiratra tamin’ny taranja basikety nandritry ny fiadiana ny tompon-dakan’i Afrika Afrobasket U18 ireto, hoy ny filoham-pirenena Malagasy, Andry Rajoelina, omaly.

Nanome ny tsara indrindra ny Ankoay Zazalahy sy Zazavavy ary nanandratra avo ny voninahitry ny firenentsika teo imason'i Afrika sy izao tontolo izao, hoy izy. Tsy nampitsanga-menatra ny herim-po nasehon’izy ireo tamin’ny lalao famaranana nifanandrinany tamin’ny ekipan’i Egypta izay ekipa andrarezina eto Afrika. Raha tsiahivina dia efa nandrombaka ny tompondakan’i Afrika tamin’ity taranja ity isika malagasy tamin’ny taona 1970 rehefa nandavo ny ekipan’i Egypta ny ekipam-pirenena vehivavy tamin’izany fotoana. Ankehitriny, manoratra ny tantara indray ireto tanorantsika ireto ary manantena isika fa hamiratra indray i Madagasikara. Nahafaly ahy ny nanolotra fankasitrahana na « prime » ho azy ireo teto amin’ny lapam-panjakana Iavoloha. Amin’ny maha mpanao fanatanjahantena ny tenako dia tena tsapako ary niainako izany fahasahiranana manomana fifaninanana na « compétition » izany. Izay no hanomezako ny fanampiana ara-bola isam-bolana ho azy ireo manomboka ny volana septambra izao, izay karazana vatsy na « bourse » hanomanana ny tompondaka eran-tany. Ianareo no reharehan’ny firenena. Tohizo hatrany ny ezaka, indrindra, ho anareo ekipa zazalahy izay hiatrika ny fiadiana ny ho tompon-daka eran-tany amin’io taona hoavy io, izay sambany eo amin’ny tantaram-pirenena. Hanohana anareo mandrakariva ny tenako sy ny vahoaka satria voninahi-pirenena no harovana. Hosoratantsika mamiratra ny tantaran'ny fanatanjahantena malagasy hampisandratra ny ambopom-pirenena izay efa nofaritantsika mazava ao anatin’ny Velirano, hoy hatrany ny tenany.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT