Sport

Basket ball nokarakarain’ny ISPM Natao hanatsarana sahady ny fifandraisan’ny samy tanora


  • Talata 25 Aprily 2023

Tena zava-dehibe amin’ny fiainan’ny tsirairay ny resaka fifandraisana.

Tsy hahavitana na inona na inona mantsy ny fitokana-monina no sady tsy hahafahana manitatra ny fahalalana ihany koa eny fa na dia ny samy ao an-tokantrano fotsiny aza. Tratra ny tanjona ho an’ny sekoly ambony ISPM nandritra ilay lalao fifaninana basket baolina nokarakarain’izy ireo nanomboka ny 17 Aprily teo. Afak’omaly Alahady 23 Aprily izany no nifarana tamim-pomba ofisialy nandraisan’ireo ekipa miisa 30 anjara avy amin’ireo oniversite maro isan-tsokajiny teto an-drenivohitra. Nambaran-dRazafindrahety Aimee, tompon’andraikitra voalohany eo anivon’ny sekoly fa nisy ny ekipa naharesy raha nisy koa ny resy. Tsy izay anefa no tena zava-dehibe hoy izy fa ny fahaizan’ireo tanora mifandray sy mifanakalo traikefa, vaika entin’izy ireo mamakivaky ny fiainana indray rehefa eny anivon’ny orinasa. Tsiahivina moa fa tafiditra ao anatin’ny fankalazana ny faha-30 taonan’ny ISPM ity fifaninana basket baolina ity izay mbola hitohy amina hetsika hafa.
Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT