Ela ny ela ka nisy nandresy ihany ny MB2ALL rehefa nanjakazaka an-taonany maro.
Resin'ny GNBC teo amin'ny famaranana omaly tao amin''ny Lapan'ny Fanatanjahantena ry Muriel sy ireo namany.Voan'ny Zandary teo amin'ny lazon'ady. Nitovy anefa ny isa, 46 noho 46, teo amin'ny tapa-potoana fahatelo saingy izay ihany dia tsy tazana intsony ireto ankizin'i Ndranto ireto.Tetsy andaniny mantsy dia nety avokoa ny nataon-dry Sambatra sy Chine ary Sarobidy ka hita hosahirana ny MB2ALL na dia nanao izay ho afany aza i Christiane izay nampiditra baolina betsaka indrindra tao amin'ny ekipany. Mbola nisy dimy minitra tsy ahataperan'ny lalao dia efa fantatra fa ho votsotra eo am-pelatanan'ny MB2ALL ny anaram-boninahitra.Hany herin'ireo mpanohana aza dia ny filazana hoe efa tena ekipa voafantina ireto GNBC ireto. Ka na marina aza izany fomba fiady ihany sady mampiakatra ny lentan'ilay taranja.
POA-DROA
Taorian'ny poa-droa nataon'ny Zandary teo amin'ny volley-ball izany dia io fa nalainy koa ny basketball N1A Elite 8 na sokajy lehilahy na sokajy vehivavy GNBC Ho an'ny sokajy vehivavy dia nandresy mazava be ny MB2ALL ny zandary (65 -77). Teo amin'ny zazalahy kosa izay lalao tena niady saingy nanatombo izany aloha mu zandary nihoatra tamin'ny ASCUT. 72 - 78 ny isa nisarahana. Raha izao toe-tsaina vonon-kiady izao foana no asehon'ny Zandary dia mety hangorohoro hatramin'ny dahalo satria tsy maintsy ekipa voafantina havanana amin'ny tifitra vary raraka koa no ho hajorony. Enga anie !
Clément RABARY
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.