Sport

Basket-ball Malagasy Raikitra ny “Challenge FIBA 3x3” U 18


  • Zoma 23 Martsa 2018

Nambaran’ny FMBB sy ny mpikarakara ny FIBA 3x3 eto Madagasikara tetsy amin’ny Lapan’ny Fanatanjahantena omaly alakamisy 22 martsa fa hotanterahina ny 6 sy 7 aprily ho avy izao ny “Challenge FIBA 3x3” sokajy U 18.

Ekipa 32 lehilahy sy 16 vehivavy  avy amin’ny ligy rejionaly 20 sy sekoly maromaro ary klioba vitsivitsy eto amintsika no handray anjara amin’ny fifaninanana. Hifanindran-dalana amin’ity hetsika koa ny 3x3 Show Dance izay fifaninanana dihy handraisana tarika tanora mpandihy miisa 10. Natao ity “Challenge” ity mba ho fanaparihana ny basket-ball 3x3 sy hifantenana ireo zatovolahy sy zatovovavy handrafitra ny ekipa nasionaly Malagasy hiatrika ny “Jeux Africains des Jeunes” hotontosaina any Alger amin’ny volana jona 2018. Ny ekipa 5 lahy sy vavy mendrika amin’ny fifaninanana dia hotolorana vola sahaza ny laharany avokoa ka ny voalohany dia hahazo 300.000 ariary, ny faha-2 homena 200.000 ariary ary ny faha-3 dia hahazo 100.000 ariary. Ny 30 martsa ho avy izao amin’ny 6 ora hariva no fara-fisoratana anarana hoan’izay liana handray anjara ary ho maimaimpoana ny fidirana hijery ny hetsika.

 

Ntsoavina Evariste


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT