Sport

Basket-Ball Malagasy Hotontosaina miaraka eny Ankatso ny 3X3 sy 5x5


  • Alakamisy 21 Jona 2018

Raikitra indray ny fifaninanana nasionaly Basket 3X3 "ASIO TELO ANY E" sokajy Sénior lehilahy sy vehivavy ary sokajy U 14 zazalahy sy zazavavy 2018 hotontosain’ny FMBB eny amin’ny kianja mitafon’Ankatso amin’ny sabotsy 23 sy alahady 24 jona 2018 izao ka rahampitso zoma 22 jona tolakandro no hanatanterahana ny fivoriana teknika etsy amin’ny foibe toeran’ny FMBB etsy 67 ha Atsimo.

 

Hifanindran-dalana amin’ity hetsika ity koa ny fifaninanana “AFROBASKET U18 MEN 5x5” fifanintsanana aty amin’ny “Zone 7” ka hifanandrinan’i Madagasikara sy Seychelles. Marihana fa eo ambany fanohanana mavitriky ny orinasa Telma Madagasikara daholo ireto fihaonana ireto ka hanolorany fanomezana isan-karazany toy ny mahazatra.

Ntsoavina Evariste


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT