Sport

Basket-ball Lalaon’ny nosy 2019 Niala an-daharana ny ekipa vehivavin’i Maldives


  • Zoma 14 Jona 2019

Noho ny fialan’ny ekipa vehivan’ny nosy Maldives tamin’ny ora farany dia niova ny fandaharam-potoanan’ny taranja basikety any amin’ny Lalaon’ny nosy 2019 tanterahina any Maurice.

 

 

 

Marihana fa samy nosokajiana ho vondrona 2 avy ireo ekipa lahy sy vavy handray anjara. Ao amin’ny sokajy lehilahy dia La Réunion sy Madagasikara ary Maldives sy Seychelles no ao amin’ny vondrona A. I Maurice sy Mayotte ary Comores kosa no ao amin’ny vondrona B. Eo amin’ny sokajy vehivavy indray dia La Réunion sy Mayotte ary Seychelles no ao amin’ny vondrona A ary Maurice sy Madagasikara ary Comores no ao amin’ny vondrona B.  Ny 20 jolay 2019 amin’ny 13:30 ny lehilahy Malagasy no hiakatra voalohany kianja hikatroka amin’i Seychelles raha amin’ny 21 jolay 2019 amin’ny 16:00 kosa ny vehivavy Malagasy no hikatroka voalohany amin’i Comores. Marihina fa ny 20 sy 21 ary ny  23  sy 24 jolay 2019 izao no hanatanterahana ny fifanintsanana amin’ity taranja ity.

 

Ntsoavina Evariste

  

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT