Sport

Basket-ball GNBC hiatrika ny BAL Tonga nankahery azy ireo ny FMBB


  • Alarobia 12 Febroary 2020

Tonga nanara-maso ny kotrana sy nankahery ireo mpilalaon'ny GNBC hiatrika ny fifaninanana BAL hanomboka amin'ny tapaky

 

 

ny volana marsa, tetsy amin’ny  kianja Toby Ratsimandrava  etsy Andrefan’Ambohijanahary ny FMBB « Federation Malagasy de Basket-Ball » notarihin'ny filohany Atoa Jean Michel Ramaroson ny alatsinainy 10 febroary 2020 teo.

Araka ny toky nomena ho fisaorana sy fankaherezana hatrany ny GNBC tamin'ny nahatafitan'izy ireo tamin'ny fifaninanana BAL dia nanolotra ny tapany faharoa (5 000 000 Ar) tamin'ny 10 000 000 Ar nampanantenaina ihany koa ny FMBB tamin’io fotoana io. Mazava ho azy fa nanaraka teo ihany koa ny tsodrano raiaman-dreny nomen’ity filohan’ny federasiona an’ireo mpilalaon’ny GNBC ho tafita amin’ny tanjona iriany ka hitondra voan-dalana tsara aty Madagasikara amin’ny fiverenan’izy ireo avy manatrika an’io fifaninanana io. Velom-bolo ary nahazo hery ny ekipan’ny GNBC Malagasy tamin’izao fihetsika nasehon’ny FMBB izao ka nampanantena fa hiady hatramin’ny farany ho voninahitry ny firenena any amin’ity fifaninanana ity.

 

Ntsoavina Evariste

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT