Sport

Basket-ball - fivorian'ny BC FIBA Maro ireo fanapahan-kevitra nivoaka


  • Alarobia 01 Aprily 2020

Fanapahan-kevitra vitsivitsy no noraisin'ny birao foiben'ny FIBA nivory tamin'ny alalan'ny videoconference niainga avy any amin'ny foiben'ny "Maison du Basketball Patrick Baumann" foiben'ny FIBA maneran-tany tamin'ny faha-26 sy 27 martsa lasa teo.

 

 

Taorian'ny iray minitra fahanginana ho fahatsiarovana sy ho fanomezam-boninahitra an'i Borislav Stankovic "SG emerite" -n'ny FIBA nodimandry tsy ela izay dia nambara fa i Australie no voafidy handray ny "Coupe du Monde Feminine FIBA 2022" ary any Rosia kosa ny manaraka afaka 2 taona. Nankatoavin'ny BC FIBA ny fanapahan-kevitry ny CIO sy ny komity mpanomana ny JO Tokyo 2020 ny hanemorana amin'ny 2021 an'io lalao olimpika io. Mbola hifampidinihana kosa ny amin'ny fifanintsanan'ny FIBA (3x3 sy lehilahy) hahazoana miatrika an'io JO 2021 io. Mikasika ny basketball 3x3 dia tapaka fa ireo tompon-dakan'ny "Zone Cup" (Continentales) dia tafita avy hatrany hiatrika ny "Coupe du Monde 3x3 FIBA" ary ankoatra ny ekipa handray ny fifaninanana dia anisan'ireo ho tafita koa ireo ekipa tsara toerana amin'ny "FIBA 3x3 Federation Ranking". Nampidirin'ny BC FIBA ho mpikambana vaovao i Richard Carrion sy Andrei Kirilenko. Notanana koa ny fampiatoana tsy ho mpikambana FIBA an'i Mexique. Farany nankatoavin'ny BC FIBA ny toe-bola hanamafisana ny 2019 ary nambara fa miroso tsara ny fanomanana ny "Coupe du Monde FIBA 2023".

Ntsoavina Evariste

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT