Sport

Basket-ball FIBA monde Lany ho filoha vaovao ilay Maliana Hamane Niang


  • Zoma 30 Aogositra 2019

Nolanian’ireo solontenan’ny federasiona nasionaly miisa 156 tsy nisy nitsipaka, niatrika ny kongresin’ny FIBA Iraisam-pirenena andiany faha-XXI tany Beijing Sina ny alarobia 28 sy omaly alakamisy 29 aogositra 2019,

 

 

  ho filoha vaovao hitantana ny rafitra FIBA Monde mandritra ny fe-potoana 2019-2023 nisolo toerana an’i Horacio Muratore ilay teratany Maliana Hamane Niang izay filoha lefitry ny FIBA  sady filohan’ny FIBA Afrika nandritra ny fe-potoana 2014-2019. Hanandratra ny taranja basikety ho fanatanjahantena malaza sy ho be mpitia indrindra maneran-tany no tanjony.  Ilay  teratany Alema, Ingo Weiss, no mbola voafidy faninidroany indray ho mpitam-bolan’ny FIBA. Sekretera Jeneraly kosa i Andreas Zagklis. Ireto kosa ireo mpikambana 13 vaovao voafidy  ho ao amin’ny “Bureau central de la Fiba” : Mme Célestine Adjanohoun (Bénin), M. Jean-Michel Ramaroson (Madagascar),  Mme Michele O’Keefe (Canada), M. Marcelo Luis Bedoya Murto (Paraguay), M. Usie Richards (Îles Vierges), Mme Yuko Mitsuya (Japon), M. Erick Thohir (Indonésie), Mme Carmen Tocala (Roumanie), M. Jean-Pierre Siutat (France), M. Antti Zitting (Finlande), M. Asterios Zois (Grèce), Mme Karo Lelai (Papouasie-Nouvelle-Guinée), M. David Reid (Australie). Amin’ny sabotsy 14 setambra ho avy izao izy ireo no hivory voalohany any Beijing mandritra ny fanatanterahana ny « Coupe du Monde FIBA 2019 hiaraka amin’ireo filohan’ny FIBA isaky ny kaontinanta dia i Anibal Manave (Afrika), Carol Callan (Amerika), Sheikh Saud Bin Ali Al-Thani (Azia), Turgay Demirel (Eoropa) ary i Burton Shipley (Oseania).

 

Ntsoavina Evariste

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT