Sport

Basket-ball Africa League


  • Alakamisy 05 Martsa 2020

Nanambara ny filohan'ny Basket-ball Africa League omaly alarobia fa mihemotra amin'ny fotoana manaraka ny fanokafana ny taom-pilalaovana

 

 

 

 izay tokony hanomboka ny 13 marsa any Senegal ho fitandrovana ny fahasalaman'ny rehetra noho ny tsimokaretina (Coronavirus).

 

Baolina kitra Malagasy

Mandalo eto an-tanindrazana ankehitriny ny filohan’ny CAF Atoa Ahmad Ahmad amin’ny maha olom-pirenena Malagasy azy nefa dia azo eritreretina ihany koa ny hifandraisan’izao diany izao amin’ny resaka fankatoavana ny kianja Stadium Barikadimy hahazoana mandray ny lalaon’ny Barea sy Côte d’Ivoire mialoha ny hatongavan’ny iraka avy amin’nyFIFA hanatanteraka an’izany.

 

Basikety FIBA Afrique

Nitarika ny delegasionin’ny FIBA Afrique nahitana ny filohany Anibal Manave tany Mozambika ny filohan’ny FMBB Malagasy, Ramaroson Jean Michel,  nihaona tamin’ny FMB “Federation Mozambicaine de Basket-ball” tamin’ny faran’ny herinandro lasa teo nandinika ny paikady stratejikan’ity FMB ity amin’ny fampandrosoana an’ity taranja ity any Mozambika.

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT