Sport

Basket-ball 3x3 Fantatra ireo ho any Vienne


  • Alakamisy 11 Mey 2023

Tsy nisy fahagagana fa ireo tompon-dakan'ny Afrika teo amin'ny basket 3x3 ihany no solontena any amin'ny fiadina ny ho tompondaka eran-tany hatao any Vienne Autriche.

Naseho vahoaka omaly tetsy amin'ny Lapan'ny Fanatanjahatena ireo efa-dahy handrafitra ny ekipa malagasy. Ekipa efa tena zatra niaraka ireo ahitana an'i Elly Randriampionona sy Livio Ratianarivo izay efa nifankahalala fony fahakeliby tany Mahanjanga no sady samy havanana amin'ny tifitra ahazoana isa telo. Ny roalahy indray dia rindrina be mirefy 1m 98 dia i Arnol Solondrainy izay reharehan'ny Toliara sy Fiary Rakotonirina. I Deda Randrianarivelo moa efa mpanazatra azy ireo hatramin'izao. Hanainga ny alahady izay ny delegasiona hihazo an'i Novi Sad any Serbia ao amin'ny Akademian'ity firenena ity izay tsy zoviana intsony ny famohany mpilalao avo lenta any amin'ny NBA Hisy lalao fitsapana miaraka amin'ireo firenena hiady ny tompondaka eran-tany any Vienne Autriche ny 30 mey ka hatramin'ny 4 jona. Marihina fa tonga dia midona amin'ny Amerikanina izay misy an'i Bronny zanak'i Lebron James ny ekipa malagasy. Na izany aza dia mbola tsy manari-toky ry Elly sy ny namany .

Clément RABARY

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT