Sport

Basket Asief Analamanga Hiditra amin’ny andro faha-5


  • Alarobia 10 Jolay 2019

Hiditra amin’ny andro faha-5 sahady ny fifaninanana fiadiana ny ho tompondakan’Analamanga eo amin’ny taranja basikety karakarain’ny ASIEF « Association Sportive Interministérielle pour l’Entretien des Fonctionnaire » amin’ity faran’ny herinandro hitsahana ity.

 

 

 Araka ny resaka nifanaovana tamin’Atoa Rabemananjara Fenomanana,  filohan’ny seksiona ny Basket Asief Analamanga, dia mizotra amin’ny an-tsakany sy an-davany hatreto ity fiadiana ny ho tompondakan’Analamanga ity. Hita ho mavitrika avokoa ireo ekipa rehetra miatrika an’izany ankehitriny, hoy izy, ary tena mampiseho fiaraha-mientana am-pirahalahiana eny ambony kianja avokoa. Mbola ao amin’ny kianja ivelan’i Mahamasina hatrany hatreto no hanaovana ny fifaninanana.

Vokatry ny andro faha-4 tamin’ny sabotsy 06 jolay  teo

Sokajy vehivavy : Santé 61 - 23 Mppspf ; mid  29 – 36 Infa ; Maep 53 – 50 Mdn ; Dia Capsat 50 -25 Justice.

Sokajy “Jeune” : Maep 2  57 -   58  Mentep ; Mjs  61 -44 Mttm ; Infa  56 - 57 Tresor. 

Sokajy “veteran” : Mesupres 39 – 61 Justice ; Mid 00 - 61 Tresor ; Ua  44 - 42  Medd ; Prm 20 – 00 Gn ; Jirama 49 -  55 Prima ; Mef 76 – 26 Meeh.

 

Ntsoavina Evariste

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT