Natolotry ny Tale Jeneralin’ny radio RDJ fm 96.6, Tahiana Rasolojaona « Jaytax », omaly talata tetsy Analakely misy ny foibeny ny lelavola fanampin’ny amboara natolotra an’ireo ekipa tompondaka isaky ny Boriborintany 6 eto Iarivo ka nandray anjara tamin’ilay fifaninanana
basket Alley Hoop nokarakarain’izy ireo nentina nanamarihana ny faha-15 taonan’ity Onjam-peo ity. Ny ekipan’ny Bcm Ambodinisotry nandresy tao amin’ny Boriborintany 1 sy ny Team Way Atsimondrano tompondakan’ny Boriborintany faha-3 no nisolotena an’ireo namany avy amin’ny Boriborintany hafa tamin’izany. Ireo ekipa 1 sy faha-2 isaky ny Boriborintany 6 miampy an’ireo ekipa faha-3 mendrika indrindra 4 no zaraina 4 ka hiatrika lalao isam-bondrona indray amin’ny Play Off ahitana izay 2 voalohany avy hiatrika ny manasa-dalana sy famaranana etsy amin’ny kianja ivelan’i Mahamasina ny 13 sy 14 oktobra izao. Anio etsy amin’ny Karibotel Analakely no hanatanterahana ny antsapaka sy ny fivoriana teknika mikasika an’io lalao Play Off io.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.