Sport

Basket Alley Hoop 15 taonan’ny RDJ 96.6 fm Natolotry ny Tale Jeneraly omaly ny lokan’ireo nandresy


  • Alarobia 10 Oktobra 2018

Natolotry ny Tale Jeneralin’ny radio RDJ fm 96.6, Tahiana Rasolojaona « Jaytax »,

 

 

 

omaly talata tetsy Analakely misy ny foibeny ny lelavola fanampin’ny amboara natolotra an’ireo ekipa tompondaka isaky ny Boriborintany 6 eto Iarivo ka nandray anjara tamin’ilay fifaninanana basket Alley Hoop nokarakarain’izy ireo nentina nanamarihana ny faha-15  taonan’ity Onjam-peo ity. Ny ekipan’ny Bcm Ambodinisotry nandresy tao amin’ny  Boriborintany 1 sy ny  Team Way Atsimondrano tompondakan’ny Boriborintany faha-3 no nisolotena an’ireo namany avy amin’ny Boriborintany hafa tamin’izany. Ireo ekipa 1 sy faha-2 isaky ny Boriborintany 6 miampy an’ireo ekipa faha-3  mendrika indrindra 4 no zaraina 4 ka hiatrika lalao isam-bondrona indray amin’ny Play Off ahitana izay 2 voalohany avy hiatrika ny manasa-dalana sy famaranana etsy amin’ny kianja ivelan’i Mahamasina ny 13 sy 14 oktobra izao. Anio etsy amin’ny Karibotel Analakely no hanatanterahana ny antsapaka sy ny fivoriana teknika mikasika an’io lalao Play Off io.

 

Ntsoavina Evariste

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Lamba
  • Zoma 27 Novambra 2026

maloton'ny FMF

  • Tsipy
  • Alakamisy 26 Novambra 2026

kanetibe

  • Taranja
  • Alarobia 25 Novambra 2026

Tsipy Kanetibe

  • Coupe du
  • Talata 24 Novambra 2026

monde de pétanque

  • Rayan Raveloson
  • Talata 24 Novambra 2026

Nangidy ny herinandro

  • Filazàna fa
  • Zoma 20 Novambra 2026

mandeha ny fitantanana ny kitra malagasy

Hijery ny tohiny
FTT