Sport

Basket Alley Hoop 15 taonan’ny RDJ 96.6 fm Natolotry ny tale jeneraly ny lokan’ireo nandresy


  • Zoma 12 Oktobra 2018

Natolotry ny tale jeneralin’ny radio RDJ fm 96.6, Tahiana Rasolojaona « Jaytax »,

 

 

 tamin’ny talata tetsy Analakely misy ny foibeny ny lelavola fanampin’ny amboara natolotra an’ireo ekipa tompondaka isaky ny Boriborintany 6 eto Iarivo ka nandray anjara tamin’ilay fifaninanana basket Alley Hoop nokarakarain’izy ireo nentina nanamarihana ny faha-15  taonan’ity mnjam-peo ity. Ny ekipan’ny Bcm Ambodinisotry nandresy tao amin’ny  Boriborintany 1 sy ny  Team Way Atsimondrano tompondakan’ny Boriborintany faha-3 no nisolotena an’ireo namany avy amin’ny Boriborintany hafa tamin’izany. Ireo ekipa 1 sy faha-2 isaky ny Boriborintany 6 miampy an’ireo ekipa faha-3  mendrika indrindra 4 no zaraina 4 ka hiatrika lalao isam-bondrona indray amin’ny Play Off ahitana izay 2 voalohany avy hiatrika ny manasa-dalana sy famaranana etsy amin’ny kianja ivelan’i Mahamasina ny 13 sy 14 oktobra izao. Teny amin’ny Karibotel Analakely tamin’ny alarobia teo kosa no hanatanterahana ny antsapaka sy ny fivoriana teknika mikasika an’io lalao Play Off io.

 

Ntsoavina Evariste

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT